mardi 4 novembre 2014

TENY FIARAHABANA

NY VEHIVAVY SY NY TONTOLONY



Faly miarahaba antsika vehivavy rehetra, faly aho manolotra anareo izao blog izao mba hizarako aminareo ny torohevitra mety hahasoa eo amin'ny tontolon'ny vehivavy.
Ny antony nanaovako ity blog ity dia satria tsapako fa isika vehivavy dia maro no mety tsy mahalala fa isika dia tena sarobidy eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika, sy eo amin'ny fiainan-tokantrano.
Maro tsy ho voatan'isa ny azo resahina mikasika ny tontolon'ny vehivavy. Fa ny tena horesahintsika lalina dia ny mikasika ny bika aman'endrika, ny volo, ny hoho, ny haingo, sy ny maro samihafa.


Maro amintsika vehivavy no tsy mahalala fa isika dia tokony hanana fomba fihetsika mahafinaritra, ary tsy tokony ho adino koa fa isika no fitaratra ao an-tokantrantsika, raha milamina ny ao antranon-tsika dia noho isika, ka noho izany dia tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fikarakaran-tsika ny vatantsika, tokony hakantsika fotoana manokana mba ho antsika.
Fomba fiteny mantsy ny hoe: “ny vady jerijery”, tsy adala tsy akory ny ntaolo niteny an’io fa tena ilaina, na amin’ny fomba fiteny, na amin’ny fihetsika dia tokony ho mendrika alain’ny taranaka tahaka isika vehivavy.
Vehivavy ianao matoa tonga eto amin’ity blog ity koa dia mazotoa ary mamaky sy mametraka ny hevitrao.



Vidéo fiarahabana sy famakafakana ny  ho tohin'ny blog, merci à toutes .... ;-)






1 commentaire:

  1. Casinos Near Harrah's Casino & Racetrack in Las Vegas, NV
    A map showing 서귀포 출장샵 casinos and racetracks 전주 출장안마 located melbet near Harrah's Casino & 광주광역 출장샵 Racetrack in Las 보령 출장마사지 Vegas, NV.

    RépondreSupprimer