mardi 4 novembre 2014

NY FIKARAKARANA NY TAREHY




Fomba fanadiovana ny tarehy (nettoyage du visage)



Tsotra sy tsy manahirana ny mikarakara ny tarehy ary tsy manimba azy izany.
Ny tsara indrindra ho an'ny tarehy dia ny fisotroana rano fara-fahakeliny 1,5l isanandro.


Fanasàna, fanosorana crème na lotion mba ho mandimandina
Na inona na inona no karazan'ny hodi-tava dia tokony ho atao foana izao indray mandeha isanandro:

  1. Sasàna tsara ny tanana
  2. Asio lait démaquillant amin'ny ratsan-tanana, ary hosory ny tarehy, somary atao mihodina fa tsy atao midina mihitsy. Tsy mahazo mampiasa savony na gel douche na shampooing amin'ny tarehy. 
  3. Fafao moramora amin'ny coton disque na coton boribory nolemana kely amin'ny ranona eau vive ( ny ranon'ny paompy dia misy sokay betsaka ka tsy tsara hanasana tarehy fa raha tsy misy tsy maninona na rano avy nampangotrahina ka nampangatsiahana aza dia mety) Raha toa ka mbola maloto ilay coton dia sasao amin'ny coton madio indray mandeha mandra-pahadiony tsara. 
  4. Hosory ranona eau de rose na lotion tonique (Diadermine no tsara) na eau florale de brumisateur avy eo. 
  5.  Rehefa avy eo dia faohana tsara amin'ny serviette manokana ho an'ny tarehy na rouleaux de papiers na mosoara en papier malefaka ny tarehy dia asio crème na menaka fanosotra toy ny BB crème. 
Indray mandeha isankerinandro kosa dia tokony hanao gommage mba hanalana ny loto. 
Rehefa avy manao gommage dia tsy maintsy manao masque.

Alohan'ny hanaovana gommage sy masque dia tsara raha manao evoka amin'ny ranomafana mba hanokatra ny mason-koditra hanalana ny loto ary hanomana ny hodi-tava amin'ny masque izay ho atao.

Fomba fanaovana ny evoka
  1. Maka saladier ary asiana rano mangotraka sy thym na persil ao anatiny.
  2. Mitohoka eo amin'ilay saladier ny tarehy ary saronana servieta ny loha.
  3. Mijanona eo mandritra ny 5 mn.
  4. Rehefa vita izay dia faohana moramora amin'ny mosoara malefaka ny tarehy.

Fanaovana gommage 
  1. Maka semoule moyenne na fine 1 sotrokely
  2. Asiana menaka oliva na huile d'amande douce  1 sotro.

Misy karazany hafa koa ity fanaovana gommage
  1.  Maka tamenak'atody 1 sotrokely
  2.  Asiana karibonetra 1 sotrokely
Ahosotra amin'ny tarehy ireo ary kosehina moramora ny tarehy mandritra ny 2 mn
Rehefa vita izany dia kobanina amin'ny rano mangatsiaka avy nampangotrahina ny tarehy, na amin'ny eau vive ary faohana moramora amin'ny servieta na mosoara malefaka. 

Rehefa vita ny gommage dia asiana lotion ny tarehy mba hampalefaka azy, ary izay vao manao masque.

 Fanaovana masque 

  1. Maka argile verte* 1 sotrokely atao anaty vilia fisaka.
  2. Asiana rano kely izay tokony hampadity azy.
  3. Ahosotra amin'ny tarehy sy ny tenda avy eo. 
  4. Avela hilona eo mandra-pahamainan'ilay masque, mety haharitra 10 mn eo izany.
  5. Sasàna tsara rehefa maina ilay argile ary asiana lotion 
  6. Asiana crème koa ny tarehy avy eo , crème de jour na crème de nuit.
*Ampahatsiahiviko kely fa ny argile dia misy karazany lokony maro arakaraky ny hodi-tava no argile atao.


Vidéo manazava ny fomba fanaovana ny fanadiovana ny tarehy

1 commentaire:

  1. Nirina no anarako, tsara ary tena mahasoa no tsy misy effet secondaire ny produit natoraly, tsy lafo vidy nefa ahazoana vokatra tsara. Koa manentana antsika vehivavy mba hampiasa ny hanao ireo torohevitra ireo fa tena mety ary tsy mena-mitaha am importation e

    RépondreSupprimer