mardi 18 novembre 2014

FIKARAKARANA NY HOHO

FOMBA TSOTRA FIKARAKARANA NY HOHO


Efa nieritreritra ny hirakaraka ny hohonao ve ianao?
Tsara sady mahafinaritra ny manana hoho madio indrindra ho antsika vehivavy satria taratry ny fahadiovan'ny olona iray izany.
Ny tokony hatao voalohany mba hananana hoho tsara dia ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana.
Mba hahatonga ny hohontsika ho tsara sy salama dia ny fikarakarana azy araka ny tokony ho izy.
Misy ny teknika tsara arahana mba hahazoanna ilay hoho tsara tarehy toy ny an'ireny olo-malaza ireny.



  1. Maka lime à ongles ka kikiso amin'iny ny hoho, ny sisiny no atao voalohany. Raha ohatra ka tianao ho carré ilay hoho dia tsy kikisana be loatra ilay sisiny fa ny eo aloha no atao izay hampitovy tantana azy amin'ny sisiny. Raha toa ka fohy ilay hoho dia avela haniry ary dia ny eo aloha ihany no kikisana fa ny sisiny avela amin'izao.
  2. Rehefa vita izay dia maka bloc polissoir indray mba hanalamàna ny hoho. Ny eo ambony hoho indray no kikisana amin'izay fotoana izay mba halàma sy ho doux ilay hoho.
  3. Rehefa vita izay dia maka huile d'olive ka hosorana daholo ny sisin'ny hoho rehetra (jereo ny sary)
  4. Maka rano mafana avy eo atao anaty bol ary asiana ranom-boasarimakirana tapaky ny sotro kely.
  5. Alona ao anatin'ilay bol misy rano teo ny hoho mandritra ny 2 min mba hanamora ny fanesorana ilay sisin'ny hoho malemy iny (cuticules)
  6. Kikisana ilay cuticule fa mora miala iny rehefa avy nilona, kikisana moramora amin'ny bâtonnet na spatule repoussoir pour cuticule.
  7. Rehefa vita izay ka mbola misy tavela ilay sisin'ny hoho dia esorina amin'ny coupe cuticule.( raha tsy manana tsy maninona fa atao izay hialan'ilay sisiny amin'ny hoho iny amin'ny batonnet)
  8. Rehefa vita izay dia hosorana huile nourrissante ny sisin'ny hoho, huile de ricin na huile d'amande douce mety mahasolo ilay huile nourrissante.
  9. Averina indray mandeha ilay batonnet mba hialan'izay sisa tavela eo amin'ny sisin'ny hoho.
  10. Rehefa vita izay dia horina tsirairay ny hoho ho famaranana ny fikarakarana azy, afaka asiana vernis amin'izay avy eo.
Misy vidéo iray io nataoko mba hanazavana bebe kokoa ny momba izany ka dia mazotoa ary mijery sy manatanteraka izany fa sady tsotra no mora atao ny mikarakara ny hoho.
Mila averina isankerinandro na isan-tapabolana ny fanaovana izany mba hananana hoho salama sy mahafinaritra.

2 commentaires:

  1. Salut. Misaotra nizara. Lay video sy sary kia toa tsy hitako sa mbola tsy ao ve. Misaotra e!

    RépondreSupprimer
  2. Salut lys, oui misy tsy mety le vidéo dia tsy afaka nalefa en ligne fa ho avy eo izy e

    RépondreSupprimer