dimanche 16 novembre 2014

FIKARAKARANA NY VOLO MAINA NA TAPATAPAKA

FOMBA FIKARAKARANA VOLO MAINA NA TAPATAPAKA

Isika vehivavy dia matetika tsy mahafoy fotoana ho antsika nefa dia tena ilaina izany mba hampilamina ny fiainana
Ny volo maina dia fantatsika amin'ny fitsapana ny volo
Maro ny antony mahatonga ny volo ho maina
  • ny fampiasana produits tsy zakan'ny volo
  • ny fanaovana lissage na permanente matetika
  • ny fanaovana brushing isanandro na fer à lisser
  • ny fanaovana coloration koa mety mahatonga ny volo ho maina sy tapatapaka
  • ny stress
  • ny filomanosana anaty ranomasina matetika
  • ny filomanosana anaty rano be chlore ny piscine
  • ny rivo-dranomasina
  • ny tsy fikarakarana ny volo araka ny zavatra ilainy  

Ny tokony hatao mba tsy ho maina na tapatapaka ny volo dia ny fanomezana ny sakafo ilain'ny volo.
Ny volo maina dia matetika tsy mety ho lava satria tsy ampy ny vitamine ilainy.
Tahaka ny vatana dia mila omena sakafo koa ny volo
  1. Fanaovana menaka amin'ny volo isaky ny hariva: maro ny karazana menaka azo atao amin'ny volo toy ny : huile de ricin, huile d'argan, huile d'olive, huile coco. Asiana ny iray amin'ireo menaka ireo ny volo isaky ny hariva mba ho mandimandina. Ny fatra ilaina dia arakaraka ny halavan'ny volo, fa raha tena maina ny volo dia mila in-3 na in-4 ny tanana vao ampy ny volo sy ny hodi-doha.
  2. Fanaovana masque aux oeufs isankerinandro. (jereo ny vidéo manazava azy)
  3. Fanaovana soin ny volo koa dia ny fanosorana crème rehefa amin'ny maraina, misy ny crème mantsy manitra loatra ka tsy dia tsara ny manosotra azy amin'ny alina

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire