jeudi 13 novembre 2014

FIKARAKARANA NY BIKA

FOMBA MAHOMBY MBA HANANANA VATANA SALAMA SY TOMADY

Maro isika vehivavy no te ho tsara bika, ny fomba tsotra sy mora ahazoantsika izany anefa dia tsy misy afatsy ny fikolokoloantsika azy ihany. 
Tahaka ireny olo-malaza ireny dia tsy azoazo foana ny fananana bika tsara fa tsy maintsy misy ny fahazaran-tena sy fitandremana ara-tsakafo atao mba ho tonga amin'izay tanjona izay.
Raha toa isika ka manana forme ronde dia tsy ho afa-po fa te hihena noho izany. Izany hoe tsy mety afa-po ny olombelona fa maniry te hanana ny tsaratsara kokoa hatrany, tsy misy mahadiso izany fa izay no maha-olombelona antsika.

Toro-hevitra 10 tsara arahana raha te hanana bika tsara:


  1. Raha vao mifoha maraina dia misotro rano 1 na 2 vera ( perso: rano mafana no fisotroko fa na rano mangatsika aza dia mety foana) Ao anatin'ny iray andro dia tokony hahalany rano 1litatra farafahakeliny.
  2. Mipetraka eo ambony fandriana avy eo ary manao paozy ohatry ny manao yoga, izany hoe atao croisé ny tongotra mandritra ny 2 mn eo ho eo na mihoatra vao maika tsara raha manana fotoana betsaka. (Atao foana isa-maraina vao mifoha ireo mba hampivelatra ny hanche ary hampisy ilay bikam-behivavy mivelatra tsara, tsara koa io ho an'ny vehivavy mbola tsy niteraka na bevohoka mba ho an'ny fiterahana)
  3. Manao fitness isan-kerinandro ao antrano, raha afaka manao indroa ao anatin'ny herinandro dia tena tsara. fa mila maka fotoana malalaka tsara sy tsy misy mpanelingelina ary koa mila saina mifantoka tsara amin'ny zavatra atao.
  4. Mandeha mihazakazaka indray mandeha isankerinandro mandritra ny 30 min farafahakeliny ary manao tsemboka tsara.
  5. Tsy mihinana sakafo matavy loatra.
  6. Ahena ny fihinana zava-mamy, raha mety dia tsy mihinana siramamy intsony.
  7. Ampitomboina ny fihinanana legioma.
  8. Atao kelikely sira ny laoka, raha mety dia rehefa masaka vao manisy sira fa ny sira manta no tsara ho an'ny vatana.
  9. Tsy misakafo anelakelam-potoana fa afaka mihinana voankazo betsaka.
  10. Misotro rano betsaka.






Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire