vendredi 28 novembre 2014

ZAVATSOA ENTIN'NY TANIMANGA (argile verte) Efa manomboka ampiasain'ny manam- pahaizana amin'izao fotoana izao ny tanimanga noho ny zavatsoa maro entiny. Ka na atao masque manify, na atao feta matevina dia maro ny aretina sitrany. Ireo aretina ivelany mety ho sitran'ny argile dia ireto avy: Ratra, hodi-potsy, mony, may, hidihidy,.... Raha misy mivonto amin'ny vatana toy ny: Goître, folaka, vay, goutte, kyste, hemorroïde,... Ny tokony atao rehefa misy ireo aretina ireo amin'ny vatana dia: Atao kataplasma na osorana eo amin'ny faritra marary, atao matevina tsara ary apetraka eo mandritra ny adiny 3. Esorina avy eo rehefa maina ilay argile, atao indroa isanandro io kataplasma io.

mardi 18 novembre 2014

FIKARAKARANA NY HOHO

FOMBA TSOTRA FIKARAKARANA NY HOHO


Efa nieritreritra ny hirakaraka ny hohonao ve ianao?
Tsara sady mahafinaritra ny manana hoho madio indrindra ho antsika vehivavy satria taratry ny fahadiovan'ny olona iray izany.
Ny tokony hatao voalohany mba hananana hoho tsara dia ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana.
Mba hahatonga ny hohontsika ho tsara sy salama dia ny fikarakarana azy araka ny tokony ho izy.
Misy ny teknika tsara arahana mba hahazoanna ilay hoho tsara tarehy toy ny an'ireny olo-malaza ireny.



  1. Maka lime à ongles ka kikiso amin'iny ny hoho, ny sisiny no atao voalohany. Raha ohatra ka tianao ho carré ilay hoho dia tsy kikisana be loatra ilay sisiny fa ny eo aloha no atao izay hampitovy tantana azy amin'ny sisiny. Raha toa ka fohy ilay hoho dia avela haniry ary dia ny eo aloha ihany no kikisana fa ny sisiny avela amin'izao.
  2. Rehefa vita izay dia maka bloc polissoir indray mba hanalamàna ny hoho. Ny eo ambony hoho indray no kikisana amin'izay fotoana izay mba halàma sy ho doux ilay hoho.
  3. Rehefa vita izay dia maka huile d'olive ka hosorana daholo ny sisin'ny hoho rehetra (jereo ny sary)
  4. Maka rano mafana avy eo atao anaty bol ary asiana ranom-boasarimakirana tapaky ny sotro kely.
  5. Alona ao anatin'ilay bol misy rano teo ny hoho mandritra ny 2 min mba hanamora ny fanesorana ilay sisin'ny hoho malemy iny (cuticules)
  6. Kikisana ilay cuticule fa mora miala iny rehefa avy nilona, kikisana moramora amin'ny bâtonnet na spatule repoussoir pour cuticule.
  7. Rehefa vita izay ka mbola misy tavela ilay sisin'ny hoho dia esorina amin'ny coupe cuticule.( raha tsy manana tsy maninona fa atao izay hialan'ilay sisiny amin'ny hoho iny amin'ny batonnet)
  8. Rehefa vita izay dia hosorana huile nourrissante ny sisin'ny hoho, huile de ricin na huile d'amande douce mety mahasolo ilay huile nourrissante.
  9. Averina indray mandeha ilay batonnet mba hialan'izay sisa tavela eo amin'ny sisin'ny hoho.
  10. Rehefa vita izay dia horina tsirairay ny hoho ho famaranana ny fikarakarana azy, afaka asiana vernis amin'izay avy eo.
Misy vidéo iray io nataoko mba hanazavana bebe kokoa ny momba izany ka dia mazotoa ary mijery sy manatanteraka izany fa sady tsotra no mora atao ny mikarakara ny hoho.
Mila averina isankerinandro na isan-tapabolana ny fanaovana izany mba hananana hoho salama sy mahafinaritra.

dimanche 16 novembre 2014

FIKARAKARANA NY VOLO MAINA NA TAPATAPAKA

FOMBA FIKARAKARANA VOLO MAINA NA TAPATAPAKA

Isika vehivavy dia matetika tsy mahafoy fotoana ho antsika nefa dia tena ilaina izany mba hampilamina ny fiainana
Ny volo maina dia fantatsika amin'ny fitsapana ny volo
Maro ny antony mahatonga ny volo ho maina
  • ny fampiasana produits tsy zakan'ny volo
  • ny fanaovana lissage na permanente matetika
  • ny fanaovana brushing isanandro na fer à lisser
  • ny fanaovana coloration koa mety mahatonga ny volo ho maina sy tapatapaka
  • ny stress
  • ny filomanosana anaty ranomasina matetika
  • ny filomanosana anaty rano be chlore ny piscine
  • ny rivo-dranomasina
  • ny tsy fikarakarana ny volo araka ny zavatra ilainy  

Ny tokony hatao mba tsy ho maina na tapatapaka ny volo dia ny fanomezana ny sakafo ilain'ny volo.
Ny volo maina dia matetika tsy mety ho lava satria tsy ampy ny vitamine ilainy.
Tahaka ny vatana dia mila omena sakafo koa ny volo
  1. Fanaovana menaka amin'ny volo isaky ny hariva: maro ny karazana menaka azo atao amin'ny volo toy ny : huile de ricin, huile d'argan, huile d'olive, huile coco. Asiana ny iray amin'ireo menaka ireo ny volo isaky ny hariva mba ho mandimandina. Ny fatra ilaina dia arakaraka ny halavan'ny volo, fa raha tena maina ny volo dia mila in-3 na in-4 ny tanana vao ampy ny volo sy ny hodi-doha.
  2. Fanaovana masque aux oeufs isankerinandro. (jereo ny vidéo manazava azy)
  3. Fanaovana soin ny volo koa dia ny fanosorana crème rehefa amin'ny maraina, misy ny crème mantsy manitra loatra ka tsy dia tsara ny manosotra azy amin'ny alina

jeudi 13 novembre 2014

FIKARAKARANA NY BIKA

FOMBA MAHOMBY MBA HANANANA VATANA SALAMA SY TOMADY

Maro isika vehivavy no te ho tsara bika, ny fomba tsotra sy mora ahazoantsika izany anefa dia tsy misy afatsy ny fikolokoloantsika azy ihany. 
Tahaka ireny olo-malaza ireny dia tsy azoazo foana ny fananana bika tsara fa tsy maintsy misy ny fahazaran-tena sy fitandremana ara-tsakafo atao mba ho tonga amin'izay tanjona izay.
Raha toa isika ka manana forme ronde dia tsy ho afa-po fa te hihena noho izany. Izany hoe tsy mety afa-po ny olombelona fa maniry te hanana ny tsaratsara kokoa hatrany, tsy misy mahadiso izany fa izay no maha-olombelona antsika.

Toro-hevitra 10 tsara arahana raha te hanana bika tsara:


  1. Raha vao mifoha maraina dia misotro rano 1 na 2 vera ( perso: rano mafana no fisotroko fa na rano mangatsika aza dia mety foana) Ao anatin'ny iray andro dia tokony hahalany rano 1litatra farafahakeliny.
  2. Mipetraka eo ambony fandriana avy eo ary manao paozy ohatry ny manao yoga, izany hoe atao croisé ny tongotra mandritra ny 2 mn eo ho eo na mihoatra vao maika tsara raha manana fotoana betsaka. (Atao foana isa-maraina vao mifoha ireo mba hampivelatra ny hanche ary hampisy ilay bikam-behivavy mivelatra tsara, tsara koa io ho an'ny vehivavy mbola tsy niteraka na bevohoka mba ho an'ny fiterahana)
  3. Manao fitness isan-kerinandro ao antrano, raha afaka manao indroa ao anatin'ny herinandro dia tena tsara. fa mila maka fotoana malalaka tsara sy tsy misy mpanelingelina ary koa mila saina mifantoka tsara amin'ny zavatra atao.
  4. Mandeha mihazakazaka indray mandeha isankerinandro mandritra ny 30 min farafahakeliny ary manao tsemboka tsara.
  5. Tsy mihinana sakafo matavy loatra.
  6. Ahena ny fihinana zava-mamy, raha mety dia tsy mihinana siramamy intsony.
  7. Ampitomboina ny fihinanana legioma.
  8. Atao kelikely sira ny laoka, raha mety dia rehefa masaka vao manisy sira fa ny sira manta no tsara ho an'ny vatana.
  9. Tsy misakafo anelakelam-potoana fa afaka mihinana voankazo betsaka.
  10. Misotro rano betsaka.






mardi 4 novembre 2014

NY FIKARAKARANA NY TAREHY




Fomba fanadiovana ny tarehy (nettoyage du visage)



Tsotra sy tsy manahirana ny mikarakara ny tarehy ary tsy manimba azy izany.
Ny tsara indrindra ho an'ny tarehy dia ny fisotroana rano fara-fahakeliny 1,5l isanandro.


Fanasàna, fanosorana crème na lotion mba ho mandimandina
Na inona na inona no karazan'ny hodi-tava dia tokony ho atao foana izao indray mandeha isanandro:

  1. Sasàna tsara ny tanana
  2. Asio lait démaquillant amin'ny ratsan-tanana, ary hosory ny tarehy, somary atao mihodina fa tsy atao midina mihitsy. Tsy mahazo mampiasa savony na gel douche na shampooing amin'ny tarehy. 
  3. Fafao moramora amin'ny coton disque na coton boribory nolemana kely amin'ny ranona eau vive ( ny ranon'ny paompy dia misy sokay betsaka ka tsy tsara hanasana tarehy fa raha tsy misy tsy maninona na rano avy nampangotrahina ka nampangatsiahana aza dia mety) Raha toa ka mbola maloto ilay coton dia sasao amin'ny coton madio indray mandeha mandra-pahadiony tsara. 
  4. Hosory ranona eau de rose na lotion tonique (Diadermine no tsara) na eau florale de brumisateur avy eo. 
  5.  Rehefa avy eo dia faohana tsara amin'ny serviette manokana ho an'ny tarehy na rouleaux de papiers na mosoara en papier malefaka ny tarehy dia asio crème na menaka fanosotra toy ny BB crème. 
Indray mandeha isankerinandro kosa dia tokony hanao gommage mba hanalana ny loto. 
Rehefa avy manao gommage dia tsy maintsy manao masque.

Alohan'ny hanaovana gommage sy masque dia tsara raha manao evoka amin'ny ranomafana mba hanokatra ny mason-koditra hanalana ny loto ary hanomana ny hodi-tava amin'ny masque izay ho atao.

Fomba fanaovana ny evoka
  1. Maka saladier ary asiana rano mangotraka sy thym na persil ao anatiny.
  2. Mitohoka eo amin'ilay saladier ny tarehy ary saronana servieta ny loha.
  3. Mijanona eo mandritra ny 5 mn.
  4. Rehefa vita izay dia faohana moramora amin'ny mosoara malefaka ny tarehy.

Fanaovana gommage 
  1. Maka semoule moyenne na fine 1 sotrokely
  2. Asiana menaka oliva na huile d'amande douce  1 sotro.

Misy karazany hafa koa ity fanaovana gommage
  1.  Maka tamenak'atody 1 sotrokely
  2.  Asiana karibonetra 1 sotrokely
Ahosotra amin'ny tarehy ireo ary kosehina moramora ny tarehy mandritra ny 2 mn
Rehefa vita izany dia kobanina amin'ny rano mangatsiaka avy nampangotrahina ny tarehy, na amin'ny eau vive ary faohana moramora amin'ny servieta na mosoara malefaka. 

Rehefa vita ny gommage dia asiana lotion ny tarehy mba hampalefaka azy, ary izay vao manao masque.

 Fanaovana masque 

  1. Maka argile verte* 1 sotrokely atao anaty vilia fisaka.
  2. Asiana rano kely izay tokony hampadity azy.
  3. Ahosotra amin'ny tarehy sy ny tenda avy eo. 
  4. Avela hilona eo mandra-pahamainan'ilay masque, mety haharitra 10 mn eo izany.
  5. Sasàna tsara rehefa maina ilay argile ary asiana lotion 
  6. Asiana crème koa ny tarehy avy eo , crème de jour na crème de nuit.
*Ampahatsiahiviko kely fa ny argile dia misy karazany lokony maro arakaraky ny hodi-tava no argile atao.


Vidéo manazava ny fomba fanaovana ny fanadiovana ny tarehy

TENY FIARAHABANA

NY VEHIVAVY SY NY TONTOLONY



Faly miarahaba antsika vehivavy rehetra, faly aho manolotra anareo izao blog izao mba hizarako aminareo ny torohevitra mety hahasoa eo amin'ny tontolon'ny vehivavy.
Ny antony nanaovako ity blog ity dia satria tsapako fa isika vehivavy dia maro no mety tsy mahalala fa isika dia tena sarobidy eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika, sy eo amin'ny fiainan-tokantrano.
Maro tsy ho voatan'isa ny azo resahina mikasika ny tontolon'ny vehivavy. Fa ny tena horesahintsika lalina dia ny mikasika ny bika aman'endrika, ny volo, ny hoho, ny haingo, sy ny maro samihafa.


Maro amintsika vehivavy no tsy mahalala fa isika dia tokony hanana fomba fihetsika mahafinaritra, ary tsy tokony ho adino koa fa isika no fitaratra ao an-tokantrantsika, raha milamina ny ao antranon-tsika dia noho isika, ka noho izany dia tsy tokony ho atao ambanin-javatra ny fikarakaran-tsika ny vatantsika, tokony hakantsika fotoana manokana mba ho antsika.
Fomba fiteny mantsy ny hoe: “ny vady jerijery”, tsy adala tsy akory ny ntaolo niteny an’io fa tena ilaina, na amin’ny fomba fiteny, na amin’ny fihetsika dia tokony ho mendrika alain’ny taranaka tahaka isika vehivavy.
Vehivavy ianao matoa tonga eto amin’ity blog ity koa dia mazotoa ary mamaky sy mametraka ny hevitrao.



Vidéo fiarahabana sy famakafakana ny  ho tohin'ny blog, merci à toutes .... ;-)