vendredi 28 novembre 2014

ZAVATSOA ENTIN'NY TANIMANGA (argile verte) Efa manomboka ampiasain'ny manam- pahaizana amin'izao fotoana izao ny tanimanga noho ny zavatsoa maro entiny. Ka na atao masque manify, na atao feta matevina dia maro ny aretina sitrany. Ireo aretina ivelany mety ho sitran'ny argile dia ireto avy: Ratra, hodi-potsy, mony, may, hidihidy,.... Raha misy mivonto amin'ny vatana toy ny: Goître, folaka, vay, goutte, kyste, hemorroïde,... Ny tokony atao rehefa misy ireo aretina ireo amin'ny vatana dia: Atao kataplasma na osorana eo amin'ny faritra marary, atao matevina tsara ary apetraka eo mandritra ny adiny 3. Esorina avy eo rehefa maina ilay argile, atao indroa isanandro io kataplasma io.